Fahasalamana ara-batana, ara-pananahana ary ara-tsaina

Na inona na inona endrika isehoany, dia mety hisy fiantraikany amin'ny fahasalamanao ara-tsaina sy ara-pananahana ary ara-batana ny herisetra rehetra. Any Frantsa dia afaka mahazo fitsaboana ara-pahasalamana avo lenta ianao na manao ahoana na manao ahoana ny toe-bolanao, ary na manana ianao na tsy manana zo ipetraka eo an-toerana.

Mety hisy voka-dratsy lehibe amin‘ny fahasalamanao ny herisetra ao an-tokantrano. Any Frantsa dia afaka mahazo fikarakarana ara-pahasalamana ianao na ahoana na ahoana toe-bolanao, ary na ahoana na ahoana ny zo hipetraka anananao.

Raha niharana famorana taovam-pananahana atao amin‘ny vehivavy ianao, dia misy fikambanana sy matihanina afaka manohana anao mandritra ny fahasitrananao – na ara-tsaina izany na ara-pandidiana. Ireo matihanina ireo dia manana traikefa be amin‘ny fanohanana ny vehivavy mandalo toe-javatra mitovy amin‘izany.

Raha manana asa matotra na mipetraka maharitra any Frantsa ianao dia manan-jo hiantoka ny saram-pahasalamanao mandritra ny androm-piainanao. Ny rafitra fiantohana ara-pahasalamanam-panjakana dia antsoina hoe “Protection universelle maladie (PUMA)”, fantatra ihany koa amin’ny hoe “sécurité sociale”.

Ny andraikitry ny “Aide médicale de l’État (AME)” na ny fandaharan‘asan‘ny fanjakana amin‘ny fanampiana amin’ny fitsaboana, dia manome fahafahana an‘ireo olona tsy manana zo ipetraka eo an-toerana mba hahazo fitsaboana.

Ny “carte vitale” dia karatra ara-pahasalamana izay ahazoana antoka fa mora averina ny vola laninao tamin‘ny fitsaboana any Frantsa. Maimaimpoana izany. Afaka mangataka iray ianao raha vao nisoratra anarana tao amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana antsoina hoe “Protection universelle maladie”, izay antsoina ihany koa hoe “sécurité sociale” na fiahiana ara-tsosialy.

Mba hamerenana ny vola laninao tamin’ny fitsaboana dia tsara kokoa raha maka fifanaraham-piantohana ara-pahasalamana tsy miankina izay fantatra amin’ny hoe “mutuelle”. Mifameno amin’ny rafi-piantohana ara-pahasalamana miankina amin‘ny fanjakana, izay fantatra amin‘ny hoe “Protection universelle maladie”, na fiahiana ara-tsosialy na koa hoe “sécurité sociale” izany.

Raha ohatra ianao ka kely vola, na tsy manana mihintsysady tsy voasoratra ao anatin’ny rafi-piantohana ara-pahasalamana miankina amin‘ny fanjakana, izay fantatra amin'ny anarana hoe fiahiana ara-tsosialy na “sécurité sociale”, dia azonao atao ny mangataka “Complémentaire santé solidaire (CSS)”. Miantoka ny fandaniana ara-pahasalamana izay tsy voaloa tanteraka ao anatin‘ny fiahiana ara-tsosialy izany.

Fijoroana vavolombelona

Tsy mbola nikasi-tanana ahy mihitsy ilay olon-tiako taloha fa ny azy dia any amin‘ny resaka vava avoaka. Tsy tsapako mihitsy hoe tena nisy fiantraikany goavana tamiko izany. Lasa tsy nilamina nyfomba fisakafoanako arytsy nahita tory mihitsy aho. Tsy nieritreritra mihintsy anefa aho hoe herisetra izany niainako izany. Nandresy lahatra ahy ny namako iray mba hanatonako psikology, satria hono mararin‘ny tahotra vokatry ny zavatra nanjo ahy aho. Nanaraka fitsaboana nandritra ny volana maro aho. Tsapako efa mihatsara tokoa aho ankehitriny.

“Emilie” - Irlande - 27 taona

Tratran‘ny rarintsaina aho taorian‘ny nisarahanay. Rera-dava foana aho, ary valaka tanteraka. Tsy afaka nanao ny asa fanaoko andavanandro intsony aho. Tsapako toa tsy misy ilana ahy izany. Nanomboka nieritreritra ny hamono tena aho. Tamin’izay aho no nanapa-kevitra ny hanatona mpitsabo aretin-tsaina. Nanome toky ahy izy fa ara-dalàna ny zavatra niainako, ary tsy nanana aretin-tsaina velively aho.

“Linh” - Vietnam - 62 taona

Taorian‘ny nisarahako tamin‘ny vadiko dia tena niaina toe-javatra tena sarotra tokoa aho: Tsy nanana taratasy, asa ary vola aho. Nila nijery dokotera aho kanefa tsy fantatro akory hoe ahoana no hahafahako miantoka izany. Hitako fa afaka mahazo fanampiana ara-pitsaboana avy amin'ny fanjakana aho, ary tena nanala vesatra goavana tamiko izany. Afaka nandeha dokotera aho ary nahazo ny fanafody nilaiko kanefa tsy nandoa na inona na inona akory. Nahazo fahazoan-dàlana hanorim-ponenana aho teo, izay nahafahako nahita asa, ka tsy mila an'io fanampiana io intsony aho.

“Adama” – Côte d’Ivoire - 34 taona

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony